|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 maka vavan' olona
Singan-teny  2maka, 3vava, 4olona
Sokajin-teny  5 kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  6mino avy hatrany izay lazain' ny olona fa tsy mamototra akory ny amin' ny fahamarinany; mandray sy mino izay lazain' ny sasany (fa tsy mba miandry handre sy hahitamaso mivantana). [1.1]

Teny iditra (2/2)7 Maka vavan' olona
Singan-teny  8maka, 9vava, 10olona
Sokajin-teny  11 anarana (lohatenin-tantara fohy)
Voambolana  12 Haisoratra: tantara fohy
Mpanoratra 
13Tselatra
Lahatsoratra  14 - Endrey ity satro-drazoky misy ivoho sy anoloana, ny lamban-drazandry misy atiny sy ivelany, fa tsy mba nampoiziko ny fo avy no misy aseho sy afenina. Nody tiana aho kanefa tampena-maso, safosafoina kanjo tiana hatory l. Fa sasa-poana ianao, raondriana, mihodin-dava, nefa ny lanimandry hitan'ny any ivelany; miery foana raotrik'afo misaron-davenona fa tsy avelan'ny setroka tsy ho hita. Fanahy afenina ahy ny anao, rahavako, ka tsy hitako izaho nierena fa notanisain'ny hafa tsy nampoizina; vaky ianao vao taitra, nandre aho vao talanjona.

15 - Olon-tsy tiana ve aho no indraman-teny, sa efa hala no akam-bavan'olona? Ny hafa anie, rahavako, ka zavona ta-hanelanelana ny tany; renirano ta-hampisaraka ny morona, satriny ianao tsy hanana, satriny aho hamoy. Voara andrefan-tanàna ny fitiavana ka hozongozonin'olona hitsimponany izay raraka, vato be poirim-paka ka raha mihalaka ianao dia itsapahany. Ka mbà mihevitra, mbà mitadidy fa sao roboroboin'ny hain-tanety ka mamono ny efa ato am-patana.


Fivaditsoratra  16 Maka vavan' olona, maka vavan' olona

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05